<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>748</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Havaozy, Tompo ô !
 Izao rehetra izao
 Ka aoka mba ho hita ao
 Ny voninahitrao.
 Ry Tompo Mpanasoa
 Levony avokoa
 Ho fongatra tsy hisy re
 Ny ratsy marobe.

[V2]
 Izao taona vaovao
 Diavinay izao
 Ho fanavaozan-dehibe
 Ny tenanay anie !
 Ka ny fiainanay
 Izay ratsy hatrizay,
 Ovay hatramin'ny anio
 Ho tsara sy madio.

[V3]
 Havaozy, Tompo ô!
 Ny Fiangonanao
 O! akambanao ho iray,
 Hiray mandrakizay.
 Ry Tompo be fitia,
 Tongava, mamangia;
 Mba tanteraho aminay
 Ny fanavaozanao.</lyrics>
<title>Havaozy Tompo o! FFPM748</title>
</song>